TVF 150 : Seho kanto – CCESCA 2018

Feno 150 taona amin’ity taona 2018 ity ny fiangonana FJKM Tranovato Faravohitra. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fampisehoana tantara an-tsehatra arahin-kira (comédie musicale) mitondra ny lohateny hoe « Anjomara », tantara nosoratan’i Rado ka nolalaovin’ireo taranany tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny zoma 20 jolay alina.

Koa samia ary mamerina an-tsaina hiaina izany ianareo nanatrika.
Ianareo tsy afaka nijery kosa dia samia mahazo fy an-tsaina ny tranga tao amin’ny alalan’ireto sary voarafitray, ZEN.Photography Madagascar, ireto.

 

AMBADIKY NY SEHATRA

“Serina”, izay no azo ambara rehefa alohan’ny seho tahaka izao. Na ireo eny ambaravarana mpampiditra antsika mpijery, na ireo eny antsehatra izay mitaintaina aok’izany, fa miezaka kosa ny handresy izany tebiteby izany.
Ny ara-teknika moa dia efa voalamina mialoha, ary jereo fa ny firehetan’ny jiro haingo aza dia efa voarakitra antsoratra.

Toy izao manaraka izao ny aina manodidina ny “Ambadiky ny sehatra” :

 

FIZARANA VOALOHANY

“ANJOMARA”

Tantara mirakitra ny fitiavan-tanindrazana sy ny tolona nataon’ny Malagasy, nanomboka ny vanim-potoana nahatongavan’ny mpanjanantany hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. Seho an-tsehatra arahina hira niarahana tamin’ny Taranak’Andriamanantena Georges, na i Rado, hotronin’ny tarika Railovy sy i Fara Andriamanjato.

 

FIZARANA FAHAROA

“Antsa sy Kalo”

Niakatra an-tsehatra amin’ny fizarana faharoa kosa ny zanaky ny Fiangonana FJKM Faravohitra izay manana mpanankanto fanta-daza maro toa an’dry :

 

Dadavy,
teo amin’ny fanentanana sy ny fampitsikitsikina, eny teo amin’ny fampitokelahana mihitsy aza.

Remi Andriantsoavina, Josoa Andriantsoavina, Nalinirina Celestin Anriantsilavo,
teo amin’ny fitendrena,
izay nohatevenin’ny STK Rantsana Mozika.

Hanitra, Meva, Johary, Fifaliana, Harena, Malala Randria, Mamy Robinson, Ny Mana Robinson,
no teo amin’ny fihirana.

Vololona, Lova, Andriniela, Ony, Meva, Seth Seven (mpanao Slam),
kosa no Mpiantsa.

Sangan’asa maro no norenesin’ny sofina sy nojerena tao :

  • “Mbola Hisy”, “Ho Tsaroako An-kira” – Rémi Andriansoavina,
  • “Ny Lasa Nahafinaritra”, “Ny Fotoana sy ny Lasa” – Dauphin Rasoloharimanana,
  • “Ny Tiako”, “Nantsoiko Ianao”, “Eo Anilan’ny Fo”, “Fehezam-boninkazo” – Robert Andriantsoavina,
  • “Vohitra Kely” – Malala Randria, “Mba Omeo” – Malala Randria,
  • “Ny Lasa” – Jasmine Ratsimiseta,
  • “Raha ny Rano Natsakaina” – Andrianary Ratianarivo,
  • “Fitsaintsainana”, Lys-Ber,
  • “Voninkazo Dia”, “Tsanta Mampahery” – Meva,
  • “Tsikitsiky” – Seth Seven,
  • “Ndeha Hilalao” – RR Majunga,
  • “Ampamoizamaso” – Jean Narivony,
  • “Tia ka tsy Mino” – Fanja Andriamanantena,
  • “Te Ho Soa” – Nirina Bruno Ramamonjison (Tarika Johary),
  • “Finoana” – Célestin Andriamanantena,
  • “Manorena Tsangambato” – Razafindrazaka (Dadazaka)
  • “Mamy” – Charles Rajoelisolo,
  • “Manin-te Hody” – Mamy Robinson.

An-tsary no hijeren-tsika ny endriny sy ny hakanton’izany seho izany.

 

 

“Kanto” izay teny tokana azo hamehezana iny seho iny.

Misaotra anao namaky sy nijery.

Lan Andrian



Laisser un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.